9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Milaza ny marina ao amin’ i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ ny Fanahy Masìna koa ny fieritreretako,
2fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ ny foko.
3Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’ i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
4izay Isiraelita sady manana ny fananganan’ anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
5azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.
6Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.
7Ary na dia taranak’ i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’ isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
8Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
9Fa izao no filàzan’ ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha.
10Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’ anaka tamin’ ny anankiray, dia tamin’ isaka razantsika;
11fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran’ ny fikasan’ Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin’ ny asa, fa avy amin’ izay miantso),
12dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny;
13araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako.
14Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’ Andriamanitra? Sanatria izany!
16Koa dia tsy avy amin’ izay maniry na amin’ izay mihazakazaka izany, fa avy amin’ Andriamanitra Izay miantra.
17Fa hoy ny Soratra Masìna tamin’ i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ ny tany rehetra.
18Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
19Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
20Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’ Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’ izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
21Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
22Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’ izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
23mba hampahafantarina koa ny haren’ ny voninahiny amin’ izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
24dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ ny jentilisa koa,
25araka izay lazainy eo amin’ i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala;
26Ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak’ Andriamanitra velona.
27Ary Isaia milaza ny amin’ ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Zanak’ isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
28fa amin’ ny fahatanterahana faingana no hanefan’ i Jehovah ny teniny ambonin’ ny tany;
29ary araka izay nolazain’ Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon’ ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma sy tonga tahaka an’ i Gomora isika.
30Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ ny finoana?
31fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
32Nahoana moa? Satria tsy tamin’ ny finoana, fa toa tamin’ ny asa, ka tafintohina tamin’ ny vato mahatafintohina izy;
33araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra.