1 Izao no teny izay nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra tany an-dafin’ i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Sofa, tanelanelan’ i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
2(lalana Iraika ambin’ ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seïra no aleha.)
3Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahefa-polo dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy holazainy aminy,
4rehefa namono an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
5Tany an-dafin’ i Jordana, dia tany amin’ ny tany Moaba, no nanombohan’ i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
6Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin’ ny tendrombohitra ity;
7mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin’ ny tany havoan’ ny Amorita sy any amin’ izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron’ ny ranomasina, dia any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
9Ary niteny taminareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
10Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra ianareo izao.
11(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
12Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
13Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin’ ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
14Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
15Ary nalaiko ny lohan’ ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ ny firenenareo.
16Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin’ ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
17Aza mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’ Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
18Dia nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ny amin’ ny zavatra rehetra izay hataonareo.
19Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin’ ny lalana mankany amin’ ny tany havoan’ ny Amorita, araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
20Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin’ ny tany havoan’ ny Amonita, izay omen’ i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
21indro, efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
22Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
23Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin’ ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
24ary niainga ireo ka niakatra tany amin’ ny tany havoana, dia tonga tao amin’ ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
25dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
26Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
27Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan’ i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan’ ny Amorita handringanana antsika.
28Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin’ ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
29Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
30Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
31ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran’ ny olona ny zanany, dia teny amin’ ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin’ ity tany ity.
32Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
33Izay nandeha tamin’ ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
34Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
35Tsy hisy olona mihitsy amin’ izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
36afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah izy.
37Ary izaho koa dia notezeran’ i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
38fa Josoa, zanak’ i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak’ Isiraely ny tany.
39Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin’ izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
40Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
41Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin’ ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
42Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
43Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin’ i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
44Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’ izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seïra ka hatrany Horma.
45Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.
46Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.