9 Who said unto his father and to his mother, I have not seen him; neither did he acknowledge his brethren, nor knew his own children: for they have observed thy word, and kept thy covenant.
10 They shall teach Jacob thy judgments, and Israel thy law: they shall put incense before thee, and whole burnt sacrifice upon thine altar.
1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin’ ny taranak’ i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an’ i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an’ i Raba, ka dia nandrava azy.
2Dia nesorin’ i Davida ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
3Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ ny tsofa sy tamin’ ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’ i Davida tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
4 Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin’ ny Filistina tao Gazera; tamin’ izany no namonoan’ i Sibekay Hosatita an’ i Sipay, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta, ka dia naetriny ny Filistina.
5Ary dia nisy ady tamin’ ny Filistina indray ary Elanana, zanak’ i Jaïra, namono an’ i Lamy, rahalahin’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
6Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan’ ny taranaky ny Refaïta.
7Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
8Ireo no taranaky ny Refaïta tao Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony ireo.