1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
2ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina,
3ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
4ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
5Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ ireny.
7Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.
8Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
9Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ ny sasany tamin’ ireny fanahy Azy, ka matin’ ny menarana ireny.
10Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, izay matin’ ny mpandringana.
11Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao.
12Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
13Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
14Koa amin’ izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
15Miteny toy ny amin’ ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
16Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ ny ran’ i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ ny tenan’ i Kristy va izany?
17Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’ izany mofo iray izany avokoa.
18Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ ny alitara va?
19Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
20Tsia, fa izay zavatra aterin’ ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ ny demonia, fa tsy amin’ Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ ny demonia ianareo.
21Tsy mahazo misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
22Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26fa an’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
27Ary raha misy amin’ ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ ilay nilaza sy ny fieritreretana.
29Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ ny tenanano, fa ny an’ ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ ny fieritreretan’ ny olon-kafa?
30Fa raha amin’ ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’ izay anaovako fisaorana?
31Koa amin’ izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany.
32Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra,
33dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.