9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
2Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ ny fivavahanay,
3sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’ Andriamanitra Raintsika;
4fa fantatray, ry rahalahy malalan’ Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masìna ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
6Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ ny fahoriana be mbamin’ ny hafaliana avy amin’ ny Fanahy Masìna,
7ka dia tonga fianarana ho an’ ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
8Fa avy taminareo no nanenoan’ ny tenin’ ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ ny lazan’ ny finoanareo an’ Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
9Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ ny sampy hiverenana amin’ Andriamanitra mba hanompo an’ Andriamanitra velona sy marina,
10ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy.