1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
2Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana?
3Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
4Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany.
5Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
6Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
7Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana.
8Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany.