1Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masìna, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
2Ary nisaoran’ ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
3Ary izao no ben’ ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ ny Joda samy nonina tao amin’ ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona.
4Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Benjamina. Ny avy tamin’ ny taranak’ i Joda dia Ataia, zanak’ i Ozia, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Amaria, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Mahalalila, avy tamin’ ny taranak’ i Fareza;
5ary Mahaseia, zanak’ i Baroka, zanak’ i Kola-hoze, zanak’ i Hazaia, zanak’ i Adaia, zanak’ i Joariba, zanak’ i Zakaria, zanak’ ilay Silonita.
6Ny taranak’ i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
7Ary izao no taranak’ i Benjamina: Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Joeda, zanak’ i Pedaia, zanak’ i Kolaia, zanak’ i Mahaseia, zanak’ Itiela, zanak’ i Jesaia;
8ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.
9Ary Joela, zanak’ i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak’ i Senoa, no lefitry ny komandin’ ny tanàna.
10Ny avy tamin’ ny mpisorona dia Jedaia, zanak’ i Joariba, ary Jakina.
11Ary Seraia, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.
12Ary ny rahalahin’ ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pelalia, zanak’ i Amzy, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia,
13ary ny rahalahiny, izay samy lohan’ ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak’ i Azarela, zanak’ i Ahazay, zanak’ i Mesilemota, zanak’ Imera,
14mbamin’ ny rahalahin’ ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak’ i Hagedolima, no mpifehy azy.
15Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Bony;
16ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin’ ny lohan’ ny Levita, no tonian’ ny raharaha teo ivelan’ ny tranon’ Andriamanitra.
17Ary Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’ i Samoa, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona.
18Ny Levita rehetra tao an-tanàna masìna dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
19Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin’ ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.
20Ary ny sisa tamin’ ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ ny zara-taniny avy.
21Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.
22Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin’ ny raharaha momba ny tranon’ Andriamanitra dia Ozy, zanak’ i Bany, zanak’ i Hasabia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mika, isan’ ny mpihira, taranak’ i Asafa.
23Fa ny didin’ ny mpanjaka ny amin’ ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan’ andro.
24Ary Petahia, zanak’ i Mesezabela, isan’ ny taranak’ i Zera, zanak’ i Joda, dia teo anilan’ ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ ny olona.
25Fa ny amin’ ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ ny taranak’ i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
26ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta
27sy Hazara-soala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
28ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,
29ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota
30sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin’ ny lohasahan’ i Himona izy.
31Ary ny taranak’ i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
32ary tany Anatota sy Noba sy Anania
33sy Hazora sy Rama sy Gitaima
34sy Hadida sy Zeboïma sy Nebala
35sy Loda sy Ono, lohasahan’ ny mahay tao-zavatra.
36Ary tao amin’ ny Benjamina nisy Levita, izay isan’ ny antokon’ ny Joda.