10 And Jabez called on the God of Israel, saying, Oh that thou wouldest bless me indeed, and enlarge my coast, and that thine hand might be with me, and that thou wouldest keep me from evil, that it may not grieve me! And God granted him that which he requested.
1Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’ aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry
2teo afovoan’ ny lalambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ ny handriny.
5Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ ny jiro na fahazavan’ ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
6 Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
7Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity.
8Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ ny tongotr’ ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
10Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity, fa antomotra ny andro.
12Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
13Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna.
15Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
16Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’ i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
17Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina.
18Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy;
19ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ ny bokin’ ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy amin’ ny tanàna masìna, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity.