9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
2 Ny famindram-pon’ i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ ny vavako ny fahamarinanao.
3Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
4“Efa nanao fanekena tamin’ ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin’ i Davida mpanompoko Aho hoe:
5Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.” [Sela.]
6Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.
7Fa iza any an-danitra no mitovy amin’ i Jehovah? Ary iza amin’ ny zanak’ ireo andriamanitra no manahaka an’ i Jehovah,
8Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ ny fiangonan’ ny olo-masiny Ary hajain’ izay rehetra manodidina Azy?
9Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
10Hianao manapaka ny fisavoan’ ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
11Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
12Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
13Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona.
14Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
15Rariny sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
16Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany.
17Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
18Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin’ ny fankasitrahanao no hisandratan’ ny tandrokay.
19Fa an’ i Jehovah ny ampinganay; Ary an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ny mpanjakanay.
20Tamin’ izany ny olonao masìna dia nilazanao tamin’ ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin’ ny olona.
21Efa nahita an’ i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masìna no nanosorako azy;
22Izy no homban’ ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
23Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
24Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan’ ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
25Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan’ ny tandrony.
26Dia hampitoetra ny tànany amin’ ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ ny ony.
27Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ ny famonjena ahy.
28Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany.
29Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
30Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra.
31Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
32Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
33Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
34Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
35Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain’ ny molotro tsy hovako.
36Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ ny fahamasinako, Tsy handainga amin’ i Davida mihitsy Aho:
37Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
38Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. [Sela.]
39Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin’ ny voahosotrao Hianao.
40Efa nahafoana ny fanekena tamin’ ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
41Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
42Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ ny mpiray monina aminy izy.
43Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
44Efa nampihemotra ny lelan’ ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ ny ady.
45Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin’ ny tany.
46Efa nahafohy ny andron’ ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy. [Sela.]
47Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
48Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra!
49Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? [Sela.]
50Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’ i Davida tamin’ ny fahamarinanao?
51Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran’ ny firenena rehetra,
52Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao.
53Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.