9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
2Dia nasain’ ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin’ ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka.
3Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
4Dia niteny tamin’ ny mpanjaka amin’ ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
5Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin’ ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.
6Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ ny heviny.
7Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
8Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.
9Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan’ izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.
10Ny Kaldeana namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin’ ny tany mahay milaza izany nofin’ ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin’ ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.
11Ary sarotra ny zavatra anontanian’ ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin’ ny nofo.
12Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
13Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
14Dia novalian’ i Daniela tamin’ ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben’ ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin’ i Babylona;
15eny, namaly izy ka nanao tamin’ i Arioka, lehibe voatendrin’ ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin’ ny mpanjaka? Dia nambaran’ i Arioka tamin’ i Daniela ilay teny.
16Dia niditra Daniela ka nangataka tamin’ ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
17Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin’ i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
18mba hangatahan’ ireo famindram-po amin’ Andriamanitry ny lanitra ny amin’ izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
19Dia naseho an’ i Daniela tamin’ ny fahitana amin’ ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an’ Andriamanitry ny lanitra Daniela.
20Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
21Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ ny hendry sy fahalalana ho an’ izay mazava saina.
22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
23Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin’ i ny mpanjaka.
24Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin’ i Arioka, izay notendren’ ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’ i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin’ i Babylona; fa ento ho eo anatrehan’ ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
25Dia nentin’ i Arioka faingana ho eo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
26Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin’ i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ ny heviny va ianao?
27Dia namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian’ ny mpanjaka dia tsy hain’ ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ ny mpanjaka;
28kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’ i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ ny lohanao teo amin’ ny farafaranao dia izao:
29Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin’ izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
30Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
31Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
32Ny lohan’ izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
33ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
34Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
35Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
36Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan’ ny mpanjaka koa ny heviny.
37Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
38ka ny zanak’ olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’ izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
39Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ ny tany rehetra.
40Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
41Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan’ ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
43Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin’ ny taranak’ olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan’ ny vy miharo amin’ ny tanimanga.
44Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
45Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin’ ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’ Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
46Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin’ i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
47Ny mpanjaka namaly an’ i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
48Ary tamin’ izany ny mpanjaka dia nanandratra an’ i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben’ ny mpanapaka ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
49Ary Daniela nangataka tamin’ ny mpanjaka, ary izy nanendry an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian’ ny raharahan’ i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin’ ny mpanjaka.