9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ ny fireneny,
2afa-tsy amin’ ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
3ary amin’ ny fatin’ ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
4Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin’ ny fireneny izy.
5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
6Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.
7Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ ny lahy; fa masìna ho an’ Andriamaniny ny mpisorona.
8Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo.
9Ary raha ny zanakavavin’ ny mpisorona mandoto ny tenany amin’ ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ ny afo.
10Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin’ ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
11Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin’ ny rainy aman-dreniny aza.
12Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ ny fitoerana masìna izy, na handoto ny fitoera-masin’ Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’ Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
14Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin’ ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin’ ny fireneny ihany no hampakariny.
15Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin’ ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
16Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
17Mitenena amin’ i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ ny zanakao, amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’ Andriamaniny;
18Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
19na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
20na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin’ ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
21Ny olona rehetra amin’ ny zanak’ i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’ Andriamaniny.
22Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany;
23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masìna izy, fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
24Ary Mosesy dia nilaza izany tamin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra.