17 When the poor and needy seek water, and there is none, and their tongue faileth for thirst, I the Lord will hear them, I the God of Israel will not forsake them.
18 I will open rivers in high places, and fountains in the midst of the valleys: I will make the wilderness a pool of water, and the dry land springs of water.
19 I will plant in the wilderness the cedar, the shittah tree, and the myrtle, and the oil tree; I will set in the desert the fir tree, and the pine, and the box tree together:
20 That they may see, and know, and consider, and understand together, that the hand of the Lord hath done this, and the Holy One of Israel hath created it.
1 Tamin’ ny volana fahavalo tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, nanao hoe:
2Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah.
3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
4Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
5Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny?
6Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
7 Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo (volana Sebata izany) tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, ny tenin’ i Jehovah nanao, hoe:
8Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
10Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’ Jehovah hivoivoy eny amin’ ny tany.
11Ary namaly Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teny amin’ ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.
12Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
13Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
14Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho.
15Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
17Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.