2Ary hoy Jehovah tamin’ i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’ i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ ny afo va ity?
5Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia nitsangana teo.
6Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nilaza marimarina tamin’ i Josoa hoe:
7Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mizotra amin’ ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin’ ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin’ ireo mitsangana ireo ianao.
8Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.
9Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’ i Josoa, ny vato iray dia banjinin’ ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ ity tany ity.
10Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ ny voaloboka sy ho eo ambanin’ ny aviavy ianareo.