9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin’ iny alina iny.
2Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin’ ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ ity efitra ity!
3Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
4Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
5Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ ny fivorian’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
6Ary Josoa, zanak’ i Nona, sy Kaleba, zanak’ i Jefone, izay isan’ ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
7ary niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
8Raha sitrak’ i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’ izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
9Fa aza miodina amin’ i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
10Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
11Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
12Hamely azy amin’ ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
13Dia hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Dia ho ren’ ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
14ary holazainy amin’ ny monina eo amin’ ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin’ ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin’ ny andri-rahona nony andro, ary amin’ ny andri-afo nony alina.
15Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
16Satria tsy zakan’ i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin’ ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
17Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben’ ny herin’ ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
18Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
19Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ ity firenena ity araka ny halehiben’ ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok’ ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
20Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
21Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tany rehetra,
22ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
23dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
24Fa ny amin’ i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin’ ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
25Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin’ ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
26Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
27Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’ izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, izay imonomononany amiko.
28Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
29Etỳ amin’ ity efitra ity no hiampatramparan’ ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
30dia tsy ho tonga mihitsy any amin’ ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona.
31Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
32Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin’ ity efitra ity ny fatinareo;
33ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan’ ny valin’ ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
34Araka ny isan’ ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
36Ary ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin’ i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,
37dia matin’ ny areti-mandringana teo anatrehan’ i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.
38Fa Josoa, zanak’ i Nona, sy Kaleba, zanak’ i Jefone, kosa, izay isan’ ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.
39Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.
40Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon’ ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah, fa efa nanota izahay.
41Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin’ i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
42Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
43fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
44Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon’ ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tsy niala teo an-toby.
45Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’ izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.