10 Be it known unto you all, and to all the people of Israel, that by the name of Jesus Christ of Nazareth, whom ye crucified, whom God raised from the dead, even by him doth this man stand here before you whole.
1 Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
2Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;
3ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
4ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
5ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
6ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;
7ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;
8ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;
9ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;
10ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;
11ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.
12Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;
13ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;
14ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;
15ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
16ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
17Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
18Ary ny nahaterahan’ i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’ i Jesosy, ho fofombadin’ i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ ny Fanahy Masìna izy.
19Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
20Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
21ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.
22Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ ny Tompo ny mpaminany hoe:
23Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
24Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.