1Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
2Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ ny zananilahy.
3Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
4Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady ianareo.
5Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ ny varony.
6Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
7Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
8Dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
9Koa mankanesa ianareo any amin’ ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ ny fampakaram-bady.
10Dia nivoaka ho any amin’ ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
11Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady.
12Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
13Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
14Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
15Ary tamin’ izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ ny teniny.
16Dia naniraka ny mpianany mbamin’ ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’ olona.
17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
18Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
19Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
20Ary hoy Jesosy taminy: An’ iza ity sary sy soratra ity?
21Hoy izy taminy: An’ i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
22Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
23Tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, ka nanontany Azy hoe:
24Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
25Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an’ ny rahalahiny ny vadiny;
26ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ ny fahafito.
27Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
28Ary amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza amin’ izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
29Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna na ny herin’ Andriamanitra.
30Fa amin’ ny fitsanganan’ ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
31Fa ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe:
32Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba? Andriamanitra tsy an’ ny maty, fa an’ ny velona.
33Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin’ ny fampianarany.
34Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
35Ary ny anankiray tamin’ ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
36Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ ny lalàna?
37Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
38Izany no didy lehibe sady voalohany.
39Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
40Izany didy roa izany no ihantonan’ ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
41Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
42Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida.
43Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
44Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ ny tongotrao?
45Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?
46Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’ izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.