1Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra.
2Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
3Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak’ i Alfeo,
5Ireo roa ambin’ ny folo lahy ireo dia nirahin’ i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ ny lalan’ ny jentilisa, ary aza miakatra amin’ izay tanànan’ ny Samaritana,
6fa aleo mankany amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.
7Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
8Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ ny fehin-kibonareo,
10na kitapom-batsy ho amin’ izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.
11Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.
12Ary raha vao miditra ao amin’ ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.
13Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
14Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’ izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ ny tongotrareo.
15Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma sy Gomora amin’ ny andro fitsarana noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
16Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
17Ary mitandrema ianareo noho ny amin’ ny olona; fa hatolony ho amin’ ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ ny synagogany ianareo;
18ary ho entiny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa.
19Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’ izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.
20Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
21Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
22Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
23Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin’ ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ ny Zanak’ olona.
24Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
25Fa ampy amin’ ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
26Koa amin’ izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
27Izay lazaiko aminareo ao amin’ ny maizina, dia ambarao eo amin’ ny mazava, ary izay ren’ ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ ny tampon-trano.
28Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ ny helo.
29Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ ireny ho latsaka amin’ ny tany, raha tsy avelan’ ny Rainareo.
30Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
32Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
33Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
34Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
35Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ ny rafozanivavy;
36ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony.
37Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
38Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
39Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
40Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
41Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ ny olona marina.
42Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ ny kapoaka ihany aza hosotroin’ ny anankiray amin’ ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.