9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’ i Galilia, dia ny Ranomasin’ i Tiberiasy izany.
2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ ny marary.
3Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ ny mpianany.
4Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ ny Jiosy.
5Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’ i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?
6Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
7Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
8Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
9Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao?
10Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
11Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’ izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
12Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
13Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin’ ny folo ny sombintsombin’ ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ ny nihinana.
14Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’ i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
15Ary rehefa fantatr’ i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
16Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin’ ny ranomasina ny mpianany.
17Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin’ izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
18Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon’ ny rivotra.
19Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an’ i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
21Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin’ izay ny sambokely dia tonga tamin’ ny tany izay nalehany.
22Nony ampitson’ iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
23kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,―
24koa nony hitan’ ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’ i Jesosy.
25Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
26Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
27Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase.
28Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra?
29Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
31Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.
32Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
33Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
37Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
38Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
39Ary izao no sitrapon’ izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ ny andro farany izy.
40Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
41Dia nimonomonona tamin’ i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
42Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
43Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
45Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy.
46Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’ Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48Izaho no mofon’ aina.
49Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao.
52Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
55Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
56Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
57Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
58Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
59Izany teny izany no nolazainy tao amin’ ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
60Koa maro tamin’ ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
61Ary fantatr’ i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin’ izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
62Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha ianareo.
63Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
64Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’ i Jesosy hatramin’ ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
65Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany.
66Hatramin’ izany dia maro tamin’ ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
67Dia hoy Jesosy tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
68Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay.
69Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.
70Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
71Fa Izy nilaza an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy.