9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
2fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’ izany ho amin’ ny famonjena,
3raha tàhiny “nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;”
4Izay hatoninareo toy ny vato velona, “nolavin’ ny olona, fa voafidin’ Andriamanitra sady soa,”
5ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masìna, hanatitra fanati-panahy sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
6Fa misy teny ao amin’ ny Soratra Masìna manao hoe: “Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra”.
7Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin’ izay tsy mino kosa “Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro”,
8“Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka”; ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin’ ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
9Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjaka-mpisorona, firenena masìna”, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ ilay niantso anareo hiala tamin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga;
11 Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ ny nofo, fa miady amin’ ny fanahy ireny;
12ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin’ ny jentilisa, mba hankalazany an’ Andriamanitra amin’ ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
13Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15Fa toy izany no sitrapon’ Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ ny olona adala amin’ ny fanaovan-tsoa;
16fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
17Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’ Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
18Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
19Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’ Andriamanitra.
20Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin’ izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’ Andriamanitra.
21Fa ho amin’ izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
23raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ ny Mpitsara marina;
24ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana; ary “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo”.
25Fa efa nania toy ny ondry ianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.