1 Koa ny amin’ ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon’ ny fijalian’ i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
2Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-terỳ, fa amin’ ny sitrapo [araka an’ Andriamanitra]; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny zotom-panahy; *
3tsy ho mpanjakazaka, amin’ ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ ny ondry.
4Ary rehefa miseho ny Lohan’ ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
5Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikìna fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.
6Koa amin’ izany manetre tena ambanin’ ny tàna-maherin’ Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ ny fotoan’ andro;
7ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
8Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
9tohero izy, ka miorena tsara amin’ ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’ izao tontolo izao.
10Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny mandrakizay ao amin’ i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
11Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
12Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an’ i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’ Andriamanitra,― tomoera tsara amin’ izany ianareo.
13Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
14Mifanaova veloma amin’ ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’ i Kristy anie ny fiadanana.