9 Who said unto his father and to his mother, I have not seen him; neither did he acknowledge his brethren, nor knew his own children: for they have observed thy word, and kept thy covenant.
10 They shall teach Jacob thy judgments, and Israel thy law: they shall put incense before thee, and whole burnt sacrifice upon thine altar.
1 Tamin’ ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’ i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
2Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
3Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
4Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin’ i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely; dia nandrava an’ Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin’ ny tanànan’ ny Naftaly izy.
5Ary nony ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
6Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa, ka nentiny nanamboatra an’ i Geba sy Mizpa.
7Ary tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ ny mpanjakan’ i Syria fa tsy niankina tamin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria.
8Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
10Dia tezitra tamin’ ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’ i Asa tamin’ izay.
11Ary, indro, ny tantaran’ i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely.
12Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia narary tamin’ ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’ i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
13Ary Asa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; maty izy tamin’ ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.
14Dia nalevina tao amin’ ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’ i Davida, ka nampandrina teo amin’ ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.