9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
2Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
3Ary teo ambanin’ ny tavin-drano lehibe nisy sarin’ omby manodidina azy, dia folo amin’ ny iray hakiho manodidina. Roa an-dalana ny sarin’ omby sady niara-natao an-idina tamin’ ny tavin-drano.
4Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.
5Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
6Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ ny mpisorona.
7Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia.
8Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
9Ary nanao ny kianjan’ ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
10Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin’ ny ankavanana, dia teo amin’ ny atsimo-atsinana.
11Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan’ i Hirama ny asa izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ Andriamanitra:
12dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon’ ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
13ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, sarin’ ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy;
14ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin’ ny fitoerany;
15ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ambaniny.
16Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’ i Hiram-aby ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny varahina manganohano.
17Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
18Toy izany no nanaovan’ i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan’ ny varahina.
19Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ ny mofo aseho,
20ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan’ ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
21ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
22ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin’ ny trano, dia ny mankao amin’ ny fitoerana masìna indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin’ ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.