1 Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ ny Isiraely mba hanontany amin’ i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
2Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
3Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ireo loholon’ ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4Tsy hotsarainao va izy, ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan’ ny razany izy.
5Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin’ ny taranak’ i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
6tamin’ izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho any amin’ ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
7dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin’ ny sampin’ i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ ny masony na nahafoy ny sampin’ i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin’ ny tany Egypta ny fahatezerako.
9Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason’ ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
10Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
11Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
12Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
13Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak’ Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
14Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan’ ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
15Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin’ ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
16satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
17Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
18Fa hoy Izaho tamin’ ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ ny sampiny;
19fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
20Ary manamasìna sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
21Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
22Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin’ ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan’ ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
23Dia nanangan-tanana taminy tany an’ efitra, indray Aho, hampiely azy any amin’ ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin’ ny tany samy hafa,
24satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin’ ny razany.
26Dia nandoto azy tamin’ ny fanatiny Aho, dia tamin’ ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.
27Koa mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely, ry zanak’ olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ izao no mbola nanamavoan’ ny razanareo Ahy tamin’ ny nivadihany tamiko:
28Nony nitondra azy ho any amin’ ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
29Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin’ ny fitoerana avo alehanareo? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.
30Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon’ ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,
31ary mandoto tena amin’ ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin’ ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’ Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
32Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin’ ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny vato aman-kazo.
33Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.
34Ary amin’ ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin’ ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ ny tany izay nampielezana anareo.
35Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
36Tahaka ny nifandaharako tamin’ ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
37Ary hampandaloviko eo ambanin’ ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin’ ny fanekena.
38Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin’ ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
39Ary ny aminareo, ry taranak’ Isiraely, izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masìna intsony amin’ ny fanatitrareo sy amin’ ny sampinareo.
40Fa ao an-tendrombohitro masìna, dia ao an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan’ ny taranak’ Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin’ ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ ny zava-masinareo rehetra,
41Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ ny hitondrako anareo mivoata avy any amin’ ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masìna eo anatrehan’ ny jentilisa Aho amin’ ny hataoko aminareo.
42Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
43Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.
44Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.