2Ry zanak’ olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
3ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
4Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin’ ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ ny jentilisa sy ho fanakoran’ ny tany rehetra,
5ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
6Indreo ny lehiben’ ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.
7Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
8Hamavoinao ny zavatra masìna, ary lotoinao ny Sabatako.
9Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
10Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin’ ny fadim-bolana.
11Misy manao fahavetavetana amin’ ny vadin’ ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
12Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
13Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
14Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin’ ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.
15Ary haeliko ho any amin’ ny jentilisa sy hahahako ho any amin’ ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
16Ary dia ho hitan’ ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
17Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah anao hoe:
18Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin’ ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
19Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
20Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin’ ny memy ka misy mifofotra azy amin’ ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
21eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin’ ny afon’ ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
22Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin’ ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
23Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
24Ry zanak’ olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain’ ny hainandro sady tsy ilatsahan’ ny ranonorana amin’ ny andro fahatezerana.
25Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
26Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masìna; tsy manavaka ny masìna sy ny tsy masìna izy, na mampiseho ny tsi-fitovian’ ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
27Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.
28Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
29Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
30Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ ny banga eo anatrehako hifona ho an’ ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
31koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.