9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Dia nivoaka Dina, zanakavavin’ i Lea, izay naterany tamin’ i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’ i Hamora Hivita, andriana tamin’ izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3Ary ny fony dia raiki-pitia tamin’ i Dina, zanakavavin’ i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
4Ary Sekema dia niteny tamin’ i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5Ary ren’ i Jakoba fa efa nandoto an’ i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman’ ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
6Dia nivoaka Hamora, rain’ i Sekema, nankany amin’ i Jakoba hidinika taminy.
7Ary ny zanak’ i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ ny zanakavavin’ i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
8Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon’ i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin’ ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
10Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan’ ny tompon-tany ianareo.
11Ary hoy Sekema tamin’ ny rain’ i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
12na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
13Ary ny zanak’ i Jakoba namaly an’ i Sekema sy Hamora rainy tamin’ ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an’ i Dina anabaviny;
14ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’ izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
15Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
16dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
18Dia sitrak’ i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
19Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin’ i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’ izay rehetra tao an-tranon’ ny rainy.
20Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin’ ny vavahadin’ ny tanànany, dia niteny tamin’ ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
21Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin’ ny tany izy ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.
22Nefa izao monja ihany no hanaovan’ ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23Tsy ho antsika va ny omby aman’ ondriny sy ny fananany mbamin’ ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24Ary izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany dia nanaiky ny tenin’ i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany.
25Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’ i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’ i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin’ ny lelan-tsabatra koa; dia naka an’ i Dina tao an-tranon’ i Sekema izy ka lasa nandeha.
27Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
28Ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin’ izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
29ary ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin’ izay rehetra tao an-trano.
30Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
31Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?