9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Koa raha misy famporisihana ao amin’ i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
2dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
3tsy manao na inona na inona amin’ ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
4Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ ny namany koa.
5Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa,
6Izay, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra,
7fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona;
8ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana.
9Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
10mba ho amin’ ny anaran’ i Jesosy no handohalehan’ ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ ny tany,
11sy haneken’ ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray.
12Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
14Ataovy ny zavatra rehetra amin’ ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’ Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao,
16mitana ny tenin’ ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ ny andron’ i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra ny fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.