9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an’ i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
4ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
5Ary Rebeka nandre an’ Isaka niteny tamin’ i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
6Ary Rebeka niteny tamin’ i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin’ i Esao rahalahinao nanao hoe:
7Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan’ i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
8Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’ izay asaiko ataonao.
9Mankanesa kely any amin’ ny ondry aman’ osy, ka analao zanak’ osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an’ ny rainao araka ilay tiany izany;
10ary dia ho entinao any amin’ ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
12ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
13Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
14Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin’ ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian’ ny rainy.
15Ary nalain-dRebeka ny fitafian’ i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an’ i Jakoba zanany faralahy.
16Ary ny hoditry ny zanak’ osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin’ ny vozony;
17dia natolony teo an-tànan’ i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
18Ary Jakoba nankany amin’ ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
19Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
20Ary hoy Isaka tamin’ ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21Ary hoy Isaka tamin’ i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
22Ary Jakoba nanatona an’ Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon’ i Jakoba, fa ny tanana dia tànan’ i Esao.
23Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan’ i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
24Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ ny zanako hihinanako, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
26Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
27Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon’ ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon’ ny zanako. Dia tahaka ny fofon’ ny saha izay notahin’ i Jehovah.
28Ary hanomezan’ Andriamanitra anao anie ny andon’ ny lanitra sy ny tsiron’ ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon’ ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
30Ary rehefa vita ny nitsofan’ Isaka rano an’ i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan’ Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
31Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin’ ny rainy; ary hoy izy tamin’ ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin’ ny hazan’ ny zanany, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
32Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
33Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
34Raha vao ren’ i Esao ny tenin’ ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
35Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
36Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
37Dia namaly Isaka ka nanao tamin’ i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
38Ary hoy Esao tamin’ ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
39Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin’ ny tsiron’ ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin’ ny andon’ ny lanitra avy any ambony;
40Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin’ izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao.
41 Ary Esao nanao fo-lentika tamin’ i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ ikaky, dia hamono an’ i Jakoba rahalahiko aho.
42Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin’ i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an’ i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
43Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin’ i Labana anadahiko.
44Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao,
45eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?
46Ary hoy Rebeka tamin’ Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ ny Hetita; raha maka vady amin’ ny zanakavavin’ ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin’ ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko?