9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2Ry zanak’ olona, ampahafantaro an’ i Jerosalema ny fahavetavetany,
3ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.
4Ary ny amin’ ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin’ ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin’ ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.
5Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin’ ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin’ ny andro nahaterahanao.
6Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin’ ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
7Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
8Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
9Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin’ ny rànao, dia nohosorako diloilo.
10Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.
11Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
12Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
13ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik’ andriana
14Ary dia niely tany amin’ ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
15kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin’ ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany
16Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
17Ary nalainao koa ny firavakao tamin’ ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
18nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany
19Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan’ ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
20Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an’ ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
21Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an’ ireo.
22Ary tamin’ ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin’ ny rànao.
24dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
25Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin’ ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
26Hianao efa nijangajanga tamin’ ny zanak’ i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
27Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako, ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin’ ny sitrapon’ izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
28Ary nijangajanga tamin’ ny zanak’ i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
29Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ ny tanin’ ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin’ izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
30Akory ny fahamaimain’ ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin’ ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon’ ny janga tsivalahara!
31Tamin’ ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao, satria tsy nahoanao akory izay tangy.
32Ny vadin’ olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ ny vadiny!
33Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana hanatonan’ ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao.
34Ary hafa noho ny amin’ ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
35Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry kala janga:
36Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ ny nijangajanganao tamin’ ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ ny zanakao izay naterinao ho an’ ireo.
37dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin’ ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin’ ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;
38ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
39Dia hatolotro ho eny an-tànan’ ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
40Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin’ ny sabany ianao.
41Ary hodorany amin’ ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason’ ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
42Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
43Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin’ ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
44Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin’ izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
45Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
46Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin’ ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
47Nefa tsy araka ny alehan’ ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan’ ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin’ ny nalehanao rehetra.
48Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.
49Indro, izao no helok’ i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin’ ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
50Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.
51Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon’ i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin’ ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
52Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
53Ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin’ izay olonao voababo,
54mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin’ ny hampiononanao azy.
55Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin’ ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin’ ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin’ ny toetrareo taloha koa.
56Nefa tsy mbola mba notononin’ ny vavanao akory ny nanjo an’ i Sodoma rahavavinao tamin’ ny andro niavonavonanao,
57fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin’ ny andro nandatsan’ ny zanakavavin’ i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin’ ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
58Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
59Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
60Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin’ ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
61Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan’ ilay nanaovako fanekena taminao aza.
62Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,
63mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.