9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary tamin’ ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an’ i Arona sy ny zanany ary ny loholon’ ny Isiraely.
2Dia hoy izy tamin’ i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ i Jehovah.
3Ary ny Zanak’ Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak’ ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
4ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan’ i Jehovah aminareo.
5Dia nitondra izay nandidian’ i Mosesy azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.
6Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian’ i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr’ i Jehovah.
7Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an’ ny tenanao sy ho an’ ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’ i Jehovah.
8Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny tenany.
9Ary nentin’ ny zanak’ i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin’ ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara;
10fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin’ ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara, araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy;
11ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby.
12Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara izy.
13Ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny lohany dia natolotr’ ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara.
14Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin’ ny fanatitra dorana teo ambonin’ ny alitara.
15Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
16Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
17Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana maraina.
18Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak’ i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara izy.
19Ary natolony azy koa ny saboran’ ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
20dia napetrany teo ambonin’ ny tratran’ ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany;
21fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan’ i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidian’ i Mosesy.
22Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
23Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr’ i Jehovah niseho tamin’ ny olona rehetra.
24Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ ny alitara; ary nony hitan’ ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.