1Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’ izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
2Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3Fa amin’ ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.
5Koa nony niditra tamin’ izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga ― Ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy ― Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô"..
8Rehefa nolazainy teo hoe: “Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota” (dia ireny aterina araka ny lalàna) “no tsy ilainao ary tsy sitrakao”,
9dia hoy indray Izy: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10Amin’ izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ ny nanaterana ny tenan’ i Jesosy Kristy indray mandeha.
11Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan’ andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra,
13ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
15Ary ny Fanahy Masìna koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16“Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,”
17dia hoy koa Izy: “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony”.
18Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,
20amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony,
21sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra,
22dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio;
23aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
25aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masìna sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?
30Fa fantatsika Izay nanao hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;” ary koa: “Jehovah hitsara ny olony”.
31Zavatra mahatahotra ny ho azon’ ny tànan’ Andriamanitra velona.
32Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
33indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman’ izay azon’ izany.
34Fa sady niara-niaritra tamin’ izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
35Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra.
37Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra”
38Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.
39Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy.