1 Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’ Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4Finoana no nanateran’ i Abela ho an’ Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’ i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ ny fanatitra nataony: ary amin’ izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
5Finoana no namindrana an’ i Enoka tsy hiharan’ ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’ Andriamanitra; fa talohan’ ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’ Andriamanitra izy.
6Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
7Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
8Finoana no naneken’ i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’ izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9Finoana no nivahiniany tany amin’ ny tany nolazain’ ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’ olona, mitoetra an-day, mbamin’ isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
10fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
11Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’ anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
12Koa dia avy tamin’ ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ ny maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy.
14Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
16Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy.
17Finoana no nanateran i Abrahama an’ isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin’ ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18dia ilay nilazana hoe: “Avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao”.
19Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’ izany no nandraisany azy.
20Finoana no nitsofan’ isaka rano an’ i Jakoba sy Esao ny amin’ ny zavatra ho avy.
21Finoana no nitsofan’ i Jakoba rano ny zanak’ i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin’ ny lohan’ ny tehiny.
22Finoana no nilazan’ i Josefa ny fialan’ ny Zanak’ isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ ny taolany.
23Finoana no nanafenan’ ny ray aman-drenin’ i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ ny mpanjaka.
24Finoana no nandavan’ i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’ i Farao, rehefa lehibe izy,―
25nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana,
26nanao ny fanaratsiana an’ i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’ i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27Finoana no nandaovany an’ i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.
29Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
30Finoana no nampirodana ny màndan’ i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ ny fihavanana izy.
32Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’ i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
33izay nandresy fanjakana tamin’ ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ ny liona,
34namono ny fidedadedan’ afo, afaka tamin’ ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ ny firenena hafa.
35Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
36ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
37notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ ondry sy hoditr’ osy; efa lao, ory, fadiranovana
38(nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an’ tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
39Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
40fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.