9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
2Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
3Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran’ ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin’ izay ataony; ary isan’ ny taranak’ i Kaleba izy.
4Ary ren’ i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
5Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin’ i Nabala, ka miarahabà azy amin’ ny anarako.
6Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin’ ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’ izay anananao rehetra.
7Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin’ ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
8Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin’ izay azon’ ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
9Ary rehefa tonga ny zatovon’ i Davida, dia niteny tamin’ i Nabala tamin’ ny anaran’ i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
10Fa Nabala namaly ny mpanompon’ i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak’ i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ ny tompony.
11Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an’ ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
12Dia nihodina ny zatovon’ i Davida ka nankany amin’ izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
13Ary hoy Davida tamin’ ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an’ i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin’ ny entana.
14Ary Abigaila, vadin’ i Nabala, dia nilazan’ ny anankiray tamin’ ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin’ ireny izy.
15Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin’ izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
16Izy no mandanay andro aman’ alina tamin’ ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
17Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan’ ny tompontsika mbamin’ ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
18Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran’ ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin’ ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan’ aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin’ ny boriky izany.
19Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20Ary tamin’ izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin’ ny takon’ ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
21Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
22Mba hataon’ Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’ i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan’ ny andro.
23Ary Abigaila, raha nahita an’ i Davida, dia niala faingana tamin’ ny boriky ary niankohoka teo anatrehan’ i Davida ka nitsaoka azy.
24Dia niankohoka tamin’ ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin’ ny ankizivavinao.
25Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.
26Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an’ i Nabala.
27Ary izao saotra nentin’ ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
28Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’ i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ ny andro rehetra iainanao.
29Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin’ ny fehin’ aina ao amin’ i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ ny tompoko, fa ny fanahin’ ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ ny foitran’ antsamotady.
30Ary amin’ izany, raha Jehovah mahavita amin’ ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
31dia tsy ho alahelo na ho nenina amin’ ny fon’ ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an’ ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian’ i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.
32Ary hoy Davida tamin’ i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
33Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenako.
34Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’ i Nabala ambara-pahazavan’ ny andro.
35Ka dia noraisin’ i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
36Ary Abigaila dia tonga tao amin’ i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan’ ny mpanjaka, ary faly ny fon’ i Nabala tamin’ izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran’ ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan’ ny andro.
37Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan’ i Nabala, dia nambaran’ ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
38Ary nony afaka hafoloana, dia nasian’ i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
39Ary nony ren’ i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin’ i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon’ i Nabala dia nampodin’ i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin’ i Abigaila hila azy ho vady.
40Ary nony tonga tany amin’ i Abigaila teo Karmela ny mpanompon’ i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
41Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin’ ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon’ itompokolahy.
42Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak’ i Davida izy, ka dia novadiny.
43Ary Davida efa nanambady an’ i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.
44Fa Saoly efa nanome an’ i Mikala, zananivavy, vadin’ i Davida, ho vadin’ i Palty, zanak’ i Laisy, avy any Galima.