9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
2Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ary nanompo ny vadin’ i Namana io.
3Ary hoy io tamin’ ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin’ ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ ny habokany izy.
4Ary niditra Namana ka nilaza tamin’ ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain’ ilay zazavavy izay avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
5Dia hoy ny mpanjakan’ i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
6Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an’ i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin’ ny habokany izy.
7Ary nony efa novakin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan’ ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin’ ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
8Ary rehefa ren’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin’ ny Isiraely.
9Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran’ ny tranon’ i Elisa.
10Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
11Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin’ ny aretina ka hahasitrana ny boka.
12Tsy tsara noho ny ranon’ ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin’ i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
13Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain’ ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
14Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
15Ary niverina nankao amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izy mbamin’ izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin’ ny mpanomponao.
16Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
17Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan’ ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an’ ny andriamani-kafa, fa ho an’ i Jehovah ihany.
18Nefa ny amin’ izao zavatra izao dia aoka havelan’ i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin’ ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’ izany zavatra izany.
19Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.
20Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.
21Ka dia lasa Gehazy nanaraka an’ i Namàna Ary nony tazan’ i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin’ ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
22Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
23Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
24Fa nony tonga tao amin’ ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
25Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan’ ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
26Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
27Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.