9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
2Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
3Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin’ ny tanin’ ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin’ ny mpanjaka izy ny amin’ ny tranony sy ny taniny.
4Ary ny mpanjaka niteny tamin’ i Gehazy, zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon’ i Elisa.
5Ary raha mbola nilazalaza tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nameloman’ i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin’ ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’ i Elisa.
6Ary nony nanontanian’ ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren’ ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin’ ny andro nialany tamin’ ny tany ka mandraka ankehitriny.
7 Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’ Andriamanitra.
8Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin’ Andriamanitra, ary manontania izay tenin’ i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
9Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’ izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan’ i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
10Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.
11Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin’ Andriamanitra.
12Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
13Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon’ i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan’ i Syria.
14Dia niala tamin’ i Elisa izy ka nankany amin’ ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain’ i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
15Ary nony ampitso, dia nalain’ i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ ny rano ary nasarony ny tavan’ i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
16 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny nanjakan’ i Josafata tany Joda.
17Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
18Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
19Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin’ i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an’ ny taranany.
20Tamin’ ny androny no niodinan’ i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
21ka dia nankany Zaïra Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin’ ny komandin’ ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.
22Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin’ izany andro izany.
23Ary ny tantaran’ i Jehorama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va?
24Ary Jehorama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
25Ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda,
26Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin’ i Omry, mpanjakan’ ny Isiraely.
27Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa vinanton’ ny taranak’ i Ahaba ihany izy.
28Ary niaraka tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, izy mba hiady amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama.
29Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.