9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, nahalala fa ny fon’ ny mpanjaka nalahelo an’ i Absaloma ihany.
2Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
3dia mankanesa ao amin’ ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen’ i Joaba teny izy.
4Ary nony niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin’ ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
5Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
6Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
7Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain’ ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ ny vadiko etỳ ambonin’ ny tany.
8Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin’ izany.
9Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin’ ny ankohonan’ ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
10Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
11Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin’ ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ ny zanakao.
13Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon’ Andriamanitra? Fa amin’ ny, itenenan’ ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian’ ny mpanjaka ilay noroahiny.
14Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’ olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
15Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin’ ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin’ ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin’ ny mpanompovaviny.
16Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin’ ny tanan’ ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin’ ny zanako hiala amin’ ny lova nomen’ Andriamanitra.
17Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin’ ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin’ Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
18Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
19Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen’ i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ ny mpanjaka tompoko na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
20Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan’ i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin’ Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ ny tany.
21Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.
22Dia niankohoka tamin’ ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran’ ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ ny nanaovan’ ny mpanjaka araka ny nangatahin’ ny mpanompony.
23Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
24Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan’ ny mpanjaka.
25Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an’ i Absaloma teo amin’ ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
26Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan’ ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan’ ny mpanjaka.
27Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
28Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan’ ny mpanjaka ihany izy.
29Ary Absaloma dia naniraka tany amin’ i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin’ ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
30Koa dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’ i Joaba mifanolotra amin’ ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin’ ny afo izany. Ary ny mpanompon’ i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
31Ary Joaba niainga nankany amin’ i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin’ ny afo?
32Fa hoy Absaloma tamin’ i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.
33Ary Joaba nankany amin’ ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain’ ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka; ary dia nanoroka an’ i Absaloma ny mpanjaka.