9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?
2Ary nisy mpanompon’ ny fianakavian’ i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin’ i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
3Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
4Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara.
5Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara.
6Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
7Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.
8Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
9Dia niantso an’ i Ziba, mpanompon’ i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan’ i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ ny tomponao.
10Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo.
11Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ ny mpanomponao. Fa ny amin’ i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin’ ny latabatro toy ny anankiray amin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy.
12Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’ i Ziba dia mpanompon’ i Mefiboseta avokoa.
13Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.