9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary tonga fanindroany tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan’ ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
2Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
3Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
4Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin’ ny trano amin’ ity tanàna ity sy ny amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
5Raha mandroso hiady amin’ ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin’ ny fatin’ olona, izay novonoiko tamin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin’ ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
6Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ ny fiadanana sy ny fahamarinana.
7Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.
8Ary hodioviko ho afaka amin’ ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.
9Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
10Izao no lazain’ i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ao amin’ ny lalamben’ i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy
11Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina ary ny feon’ izay manao hoe: Miderà an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.
12Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Eto amin’ ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’ osiny,
13Dia amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin’ ny tanana any amin’ ny tany atsimo sy amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema ary amin’ ny tanànan’ ny Joda, ary ny ondry aman’ osy mbola handroso araka ny fitondran’ ny mpanisa azy, hoy Jehovah.
14Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin’ ny aranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda.
15Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an’ i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany Izy.
16Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
17Fa izao no lazain’ i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny taranak’ Isiraely;
18Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.
19Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
20Izao no lazain’ i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin’ ny andro sy ny fanekeko ny amin’ ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin’ ny fotoany,
21Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’ i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ ny seza fiandrianany, sy ny amin’ ny Levita mpisorona, mpanompoko.
22Toy ny hamaroan’ ny kintana eny amin’ ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’ i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
23Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
24Tsy hitanao va izay nolazain’ ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’ i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
25Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy amin’ ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,
26Dia hariako ny taranak’ i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin’ ny fahababoana izy ka hamindrako fo.