9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Izao no lazain’ i Jehovah: Midìna any amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
2Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:
3Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.
4Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
6Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’ i Gileada sy ny tampon’ i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
7Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
8Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin’ ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin’ ity tanàna lehibe ity?
9Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken’ i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin’ andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
10Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
11Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Saloma, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an’ i Josia rainy, saingy efa niala tamin’ ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
12Fa ho faty any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
13Lozan’ izay manorina ny tranony amin’ ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin’ ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
14Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
15Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an’ ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin’ izany dia nambinina izy.
16Nitsara ny tenin’ ny ory sy ny malahelo izy; Tamin’ izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
17Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18Ary noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
20Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
21Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22Ny mpitondra anao rehetra ho paohin’ ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.
23Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan’ ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka!
24Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
25Ka hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainao sy eo an-tànan’ izay atahoranao, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo amin’ ny tanan’ ny Kaldeana.
26Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
27Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
28Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ ny tany tsy fantany?
29Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’ i Jehovah.
30Izao no lazain’ i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ ny androny; Fa tsy hisy amin’ ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, na hanapaka ao amin’ ny Joda intsony