9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,
2Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain’ ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
3 Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin’ ny tsilo.
4Miforà ho an’ i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
5Ambaraonareo ao amin’ ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin’ ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin’ ny tanàna mimanda.
6Manangàna faneva manandrify an’ i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.
7Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
8Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy afaka amintsika.
9Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
10Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin’ ny aina ny sabatra.
11Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin’ ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
13Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
14Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
15Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
16Lazaonareo amin’ ny firenena, torio amin’ i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ ny Joda.
17Manodidina azy ireo toy ny fanaon’ ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
18Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ ny ainao.
19Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
20Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
21Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon’ anjomara?
22Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
23Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
24Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;
25Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
26Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo anoloan’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
27Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
28Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
29Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin’ ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.
30Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.
31Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon’ i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ ireo mpamono olona.