1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
2Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
3Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ ondry eo ampovoan’ ny amboadia.
4Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
5Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ ity trano ity.
6Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
7Ary mitoera ao amin’ izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
8Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
9Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin’ ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
10Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin’ ny lalambe, ka lazao hoe:
11Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
12Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Sodoma amin’ izany andro izany noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
13Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin’ ny lavenona.
14Fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
15Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao.
16Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
17Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
18Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
19Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
20Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
21Ary tamin’ izany ora izany dia ravoravo tamin’ ny Fanahy Masìna Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
22Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
23Ary nitodika tamin’ ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
24Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
27Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
28Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
29Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
30Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
31Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’ izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
32Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
33Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
34Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
35Ary nony ampitson’ iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
36Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny jiolahy?
37Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
38Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin’ ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
39Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
40Fa Marta sahirana tamin’ ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
41Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
42nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.