9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
2Dia naka folo lahy tamin’ ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
3Dia niteny tamin’ Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin’ ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’ i Elimeleka rahalahintsika.
4Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’ izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ ny loholona amin’ ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
5Dia hoy Boaza: Amin’ izay andro ividiananao ny tany amin’ ny tànan’ i Naomy, dia amin’ i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany ianao.
6Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
7Ary ny amin’ ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin’ ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin’ ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an’ ny namany; dia vavolombelona teo amin’ ny Isiraely izany.
8Ary hoy ilay havana mahavotra tamin’ i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
9Ary hoy Boaza tamin’ ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ ny tànan’ i Naomy izay rehetra an’ i Elimeleka sy izay rehetra an’ i Kiliona sy Malona.
10Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ ny maty eo amin’ ny rahalahiny sy eo amin’ ny vavahadin’ ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
11Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Rahely sy tahaka an’ i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
12ary ho tahaka ny taranak’ i Fareza, izay naterak’ i Tamara tamin’ i Joda, anie ny taranakao avy amin’ ny zanaka izay homen’ i Jehovah anao amin’ ity vehivavy ity.
13Ary Boaza dia nampakatra an’ i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan’ anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
14Ary hoy ireo vehivavy tamin’ i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ ny Isiraely.
15Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
16Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
17Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’ i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’ i Jese, rain’ i Davida.
18Ary izao no taranak’ i Fareza: Fareza niteraka an’ i Hezrona;
19ary Hezrona niteraka an’ i Rama; ary Rama niteraka an’ i Aminadaba;
20ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
21ary Salmona niteraka an’ i Boaza; ary Boaza niteraka an’ i Obeda;
22ary Obeda niteraka an’ i Jese; ary Jese niteraka an’ i Davida.