9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
2Ary Solomona naniraka hankany amin’ i Hirama, mpanjakan’ i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin’ i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,
3indro, izaho efa efa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ ny fotoam-pivavahina voatendrin’ i Jehovah Andriamanitray; ho adidin’ ny Isiraely mandrakizay izany.
4Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
5Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
6Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin’ ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’ i Davida raiko.
7Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin’ ny vahoakanao
8mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.
9Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
10Ary hoy Hirama, mpanjakan’ i Tyro, tamin’ ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’ i Solomona: Noho ny fitiavan’ i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
11Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’ i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany izy.
13zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin’ izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin’ ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’ itompokolahy Davida rainao Izy.
14Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
15Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.
16Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ ny tanin’ ny Isiraely araka ny nanisan’ i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.
17Ary ny fito alina tamin’ ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.