9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
2ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
3Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
4Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona?
5Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
6Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
9Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
10Ary tamin’ ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ ny mpiasa tany izy mba handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
12Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
13Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
14Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
15Dia namoaka azy tany ivelan’ ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’ izany?
16Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
17Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?.
18Izay rehetra potraka amin’ izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
19Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.
20Ary nizaha taratra an’ i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora.
21Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:
22Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia?
23Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
24Mampisehoa denaria amiko. An’ iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’ i Kaisara.
25Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
26Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
27Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
28Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
29Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
30Ary ny faharoa
31sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’ izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
32Ary farany dia maty koa ravehivavy.
33Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty ho vadin’ iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
34Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
35fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
36ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty.
37Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’ i Jehovah hoe Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
38Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
39Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
40Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
41Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’ i Davida?
42Fa Davida ihany no milaza eo amin’ ny bokin’ ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
43Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ ny tongotrao.
45Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany teo anatrehan’ ny olona rehetra:
46Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana,
47ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.