9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
9fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
10Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
12Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
13nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ ilay voalohany;
14ary ny teo amin’ ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’ Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’ i Kristy Jesosy aza.
15Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18Fa tsara raha ilam-pitia amin’ ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
19Anaka, izay aharariako indray amin’ ny fiterahana mandra-paharin’ i Kristy ao anatinareo,
20enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
21Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ ny tsy andevo.
23Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.
24Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.
25Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’ i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ ny zanany.
26Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
27Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.
28Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.
29Kanefa tahaka ny tamin’ izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
30Nefa ahoana no lazain’ ny Soratra Masìna? Roahy io andevovavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ ny zanaky ny tsy andevo.
31Ary amin’ izany, ry rahalahy, tsy zanak’ andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.