9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ ny Tompo aho.
2Mahalala olona anankiray ao amin’ i Kristy aho, tokony ho efatra ambin’ ny folo taona lasa izay ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ― ilay anankiray dia nakarina ho any amin’ ny lanitra fahatelo.
3Ary mahalala ilay olona anankiray aho ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ―
4fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’ olona.
5Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin’ ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin’ ny fahalemena ihany.
6Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.
7Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.
8Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.
9Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.
10Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
11Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.
12Ny famantarana mah’ Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ ny faharetana rehetra, tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe.
13Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin’ izany fahadisoana izany.
14Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ ny zanany.
15Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon’ ny fitiavako anareo aza no fihenan’ ny fitiavanareo ahy.
16Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin’ ny fihendrena.
17Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?
18Nangataka an’ i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?
19Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
20Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, ―
21eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin’ ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin’ ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.