9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1Fa ny amin’ ny fiantrana ho an’ ny olona masìna, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;
2fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin’ ny Makedoniana hoe: Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
3Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo amin’ izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
4fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.
5Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
6Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
7Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra.
8Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ ny asa tsara rehetra;
9araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
10Ary Izay manome voa ho an’ ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11dia hanan-karena amin’ ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra.
12Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ ny olona masìna ihany, fa mahabe ny fisaoran’ ny maro an’ Andriamanitra koa,
13satria ny fizahan-toetra anareo amin’ izany fanompoana izany no ankalazany an’ Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran’ i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin’ ny fiantrana ho azy sy ho an’ ny olona rehetra;
14ary amin’ ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben’ ny fahasoavan’ Andriamanitra aminareo.
15Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.