9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held:
10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth?
11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled.
1 Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
2Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ ny olona rehetra;
3eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin’ izay tena vato fisaka, fa teo amin’ izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
4Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’ Andriamanitra izahay amin’ ny alalan’ i Kristy.
5Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’ inona na amin’ inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’ Andriamanitra,
6Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’ izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ ny soratra, fa amin’ ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
7Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin’ ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak’ Isiraely tsy nahabanjina ny tavan’ i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
8tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban’ ny Fanahy?
9Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
10Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin’ izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
11Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
13ary tsy tahaka an’ i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ ny Zanak’ Isiraely ny faran’ izay nihalevona;
14fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ ny fanekena taloha, satria ao amin’ i Kristy ihany no anesorana izany.
15Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’ i Mosesy.
16Kanefa raha miverina amin’ ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
17Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana.
18Fa isika rehetra kosa amin’ ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy.