1 He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
2Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ ny kalalao.
3Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin’ ny andro farany ianareo.
4Indro, ny karaman’ ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ ny sofin’ ny Tompon’ ny maro.
5Efa velona tamin’ ny fy tetỳ ambonin’ ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ ny andro hamonoana ianareo.
6Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy.
7 Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
8Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo.
9Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana.
10Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ ny anaran’ ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
11Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.
13Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
14Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ ny anaran’ ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;
15ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
16Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
17Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
18Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
19Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
20aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ ny lalan’ ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.